You are here: home > Vetso

ny foko - rafenomanantsoa santatra

Io ny lapan'ny tanana
fiaramanidin'ny motera
io ny fon'i dada sy mama
ao ny nofo no mianjera
.
.
Io no vahona mangidy
io ilay elon'ny tantely
io ilay fanafodim-biby
nanasitrana ny anjely
.
.
Io no manadio ny tontolo
rivotra iainan'irony vorona
tranon'ny avelo sy ny lolo
io no kianjan'ireo nitolona
.
.
Io no lanitra manga
takarin'ireo tsy misy
io no nofin'ireo jamba
ao ny foko raha mikipy

Sokajy : Fahafatesana

Hametraka hevitra

Midira aloha