You are here: home > Vetso

Ny lakako - rafenomanantsoa santatra

Nampitony ny onjako iny volon-zanajavatra
nanavotra iry lakako anivon'drano lalina
naharendrika ny lakako iny fitopan'habakabaka
nidina namonjy ny nofoko efa hivarina
.
.
nahafeno ny efitro iny anjely fanaperana
namangivangy matetika iry toka-trano
nampivoha ny varavarako iny lalany niserana
manoloana ity fasako tsy misy mpilomano
.
.
nampitsangana ny fatiko iny lokon'elo
niposaka malefaka avy any ambony
nanamaintso ny tontoloko ilay ora tamin'ny telo
tonga nandroaka ilay ali-mampahory
.
.
nanototra ny doboko iny alina mangina
nilatsaka naningotra ny fahavelomana
nampandry am-piadanana iny oram-pahoriana
tonga nanapiaka ny foko ho toratorana

Hametraka hevitra

Midira aloha