You are here: home > Vetso

DIARY - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Nianjoria ny sainy namerina tadidy
navalon'ny taona maro efa tany aloha
nosokafany ireo diary nitahiry ny soratra
nihidy tao an-doha
.
navadiny ny takila nanotrika ny elany tanaty taona maro
noloarany mangina ny vady izay navelany tao anaty tsiaro
.
novakiany ny boky an'eritreritro nampahalala ny fiainako fahiny
nozohiany ireo vatsy nentiko tamin'iny alina iny

Hametraka hevitra

Midira aloha