You are here: home > Vetso

Ny tena martiora - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Raha tena enao martioran'ny tanindrazana
dia ny fo no asaivo mitolona
raha tena enao manana fitiavana
dia ny fo no ataovy sorona
.
ny fo no asaivo mitsoaka
raha misy ny sakorokoroka
ny fo no asaivo mivoaka
hanafaka ny aina natolotra
.
ny fo no asaivo mitokona
raha misy ny zava-tinaky
ny fo no asaivo mamokona
totohondry hakana vatsy
.
ny fo no asaivo mitarika
raha misy ny fidikidinana
ny fo no asivo marika
amin'ny bala fitifirana

Hametraka hevitra

Midira aloha