You are here: home > Vetso

NY RAVINY SY NY VODINY - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

ILAY TANY NANIRIANA

Raha tokoa ianao andeha ry zokiko anabavy
anambady ilay masoandro hanilo ny andro ho avy
dia izao no mba hafatra avy am-zandry tiana
aza adino Ranabavy "ireo tany naniriana"
.
Raha tokoa ianao andeha ka any hifindra monina
fa tsy hitoetra intsony eto an-tany niaviana
dia izao Ranabavy no ataovy mafy orina
"ny fitiavana ireo tany naniriana"
........................

LANITRA MANGA

iny soratro iny
na dia efa voajanga
dia tafiako virijiny
toy ny lani-manga
.
omeko elo madio
ny fanilo ny andro anio
mba ho toy ny fasana
izato lokom-batana
.
ny azy ilay biby fihaza
raha mila rano-mangahazo
dia manery ilay antsy be lava
mitahiry ranom-boankazo
.
ny ahy ny lanitra ambony
raha toto-drano-mony
dia voka-pahotana
nandri-pahitana

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha