You are here: home > Vetso

ny reny - rafenomanantsoa santatra

matsiro i neny malala
tsy lany hamamiana
tsy misy toa an'i mama
raha mbola eto an-tany
ny reny izany hafa ihany
na dia mbola eo aza dada
neny tsy mety matsatso
neny tsy misy faikany
neny mamy tsy miato
io no loharano nipoirana
nolanjainy mavesatra
iny rano tsy tiana a
i neny no nisotro azy
nobabeny ny varatra
nampianatra namindra
nitaiza nibaby nanasa
zakany daholo ny ngidiny
sambatra ny manana reny
tolory voninkazo i neny
izay vokatry ny fo
na any am-ponja aza
andriamanitra faharoa
nahary tiako enao



Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha