You are here: home > Vetso

ny teniko - rafenomanantsoa santatra

tiako enao ry teniko
izay no averimberiko
hajaiko sy lalaiko
soratako ato an-tsaiko
.
andrianiko ny teniko
ny teniko no hareniko
ny teniko tsy aleviko
ny an'ny hafa feheziko
.
adinontsika ireny tenindrazana
fa ny teny vahiny no hiantsapazana
izay jeren'ny maso eny an'dalana
dia manao teny vary amin'anana
.
ny teny tsy fantatra no manjaka
fa ny teny malagasy voadakadaka
ny farantsay no fandre matetika
fa ny hay toy ny masoandro milentika
.
ny tenintsika efa nampatoriana
nalevina any am-pasa mangiana
rahoviana indray vao hifoha ireny
mba hampijoro ny hasin'ny teny

Hametraka hevitra

Midira aloha