You are here: home > Vetso

ny vadiko - rafenomanantsoa santatra

ny vadiko tiako
angalako taranaka
ilay nosafidiako
niterahako zanaka
-
-
ny vadiko tsy foiko
fa tiako tena tiako
ka ho kolokoloiko
sy tsy mba ariako
-
-
ny vadiko hajaiko
ilay nanome harena
ireo menaky ny aiko
no handimby ny tena
-
-
tiako ny vadiko na kilema na boka
sanatria ny hivadika mandrakizay
satria efa nivoady sy nilokaloka
fa ny fasanay roa mitambatra iray

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha