You are here: home > Vetso

o!ry fasan'iny o! - rafenomanantsoa santatra

o!ry fasan'iny o!fa iza marina no tena tompom-po amin'ireto faty maro be milevina ao anaty
o!ry fasan'iny o!mba lazao ahy ilay razanao taloha amin'ireto taolambalo hanavahako ny rafy
.
o!ry fasan'iny o!mitokana amin'izay fa tsy efa maro ve ny vita fahiny dia aza intsony asiana anirotra ilay vao hitanao iny
o!ry fasan'iny o!aza avilivily ny lalam-pitempoana fa ataovy mahitsy foana hatrany am-pandevenana
o!ry fasan'iny o!aza lazaina azy ilay teny famonoana fa manjary tsy mampandry fahalemana
.
o!ry fasan'iny o!any misy aponga arahina mozika manakohako lalina ao amorom-po
any misy feona gilita tendrem-boromanga hisompatra ny diantsika roa
.
o!ry fasan'iny o!aza intsony adaladala fa efa io ny lamba hanarona ny hoavy
dia ao isika roa no mibongo hafanana navelatry fasana miray mandra mandry

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha