You are here: home > Vetso

RAHA NY VOLA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Raha ny vola no jesosy
dia ho feno ny paosy
satria ao ilay Andriamanitra
tadiavinao mahantra
.
raha ny vola no jesosy
dia isan'andro feno saosy
ny laoka ao an-trano
na henakisoa na hanan-drano
.
raha ny vola no jesosy
dia ho voky foana ny osy
satria mihinana tsy mitsahatra
ilay ravin'ahatra
.
raha ny vola no tempoly
dia ho faly ny devoly
mahita anao manompo
an'i vola tompo
.
raha ny vola no jesosy
dia atao sabata ny alakaosy
dia antsoina i Rossy
hitendry kabosy
.
raha ny vola no mesia
dia be no hanara-dia
azy any am-pivarotana
hijery falafosana
.
raha ny vola no Zanahary
dia ampidininy ny vidim-bary
lasa ariary zato ny iray kilao
amin'ilay tena tsara kalitao
.
mivavaka iray minitra ny adrisa
dia mahazo jesosy iray tapitrisa
izany hoe raha folo minitra izany
dia mety hahavidy tany
.................

RAVORONA MITONDRA HAFATRA

Nahoana rafasana no manontany
iny voro-manidina ambony dia ambony
nahoana satria any an-dalana ombany
no misy ilay lalako tsy hitako intsony
.
ravorona sisa no anontaniana
ilay toerana misy ny malala tiana
hono ho aho ravorona hamonjy iry ala
mbola velona any ve ilay vady malala
.
miverena ravorona misidina ambony
rehefa hitanao ilay lavitry ny ony
dia mba atoroy ahy izany toerana izany
andehanan'ny masoko sy foko makany
.
miverena ravorona mpanaingo tanana
dia ento ilay hafatra izay nantenaina
vimbino amin'ny vava raha toa ka tsy tana
ny fasany nandefa ilay bozaka hisaina

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha