You are here: home > Vetso

RAHOVIANA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Rahoviana vao hitomany ny tendrombohin'danitra mitsilo ity tany matin-ketaheta
rahoviana vao hirotsaka ny dobon'Andriamanitra mamihina ny orany ao anaty tsetra
.
rahoviana ilay ray ao ambony vao mba handatsa-dranomaso hanamando ity tany efa karakaina
rahoviana vao hirotsaka ny potipoti-bato hamotika ireo vatsy mpamelona ny aina
.
rahoviana ilay ray ao ambony vao mba hivalan-drano handoto ny tontolon'ny fiainanay ety
rahoviana ny dobo kely tsy misy mpilomano vao mba ho lasa rano maria
.
rahoviana vao hipoaka ny basy maro vava vimbinin'Andriamanitra avy any an'danitra any
rahoviana vao hanjombona ny lanitra manga manelo ny tany
.
rahoviana vao hihiratra ireo lavaka telo mitahiry ny orana voajanahary
rahoviana vao ho tonga ny alahelo handrotsa-tomany

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha