You are here: home > Vetso

Ratram-pitia - rafenomanantsoa santatra

Aza mbola mody aloha ry fo
fa efa niova hevitra aho
aza mbola lazaina ny manjo
fa efa tokam-po ny taho
.
.
efa notinapako ny sampana
namily ny fitiavana
efa mijoro izao ny rantsana
mitia anao rahavana
.
.
efa nesoriko daholo ireo dobo kely
mpamaky ny hakantom-boromanga
fa aza intsony enao manahy ry anjely
hampahiratra ny jamba
.
.
efa miteny aminao izao ny foko
efa ny vavany no apoto-molotra
dia aza intsony asiana toloko
fa ny fasako mihitsy no hoavy hanoroka

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha