You are here: home > Vetso

RAVA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

niongana omaly
ny lapan'ny
tananako
oram-be mivatravatra
no nanondraka ny foko
kotsakotsan'dra mandriaka
ny hazo fijaliako
mamofompofom-borondolo
ny rindrim-baravarako
namboleny lefona
ny varavarankeliko
nizara roa ny any ankoatrany
sempotry ny setro-panahiny
ny habakabako
mangidy nohon'ny fahafatesana
ny tambaviny
naleviny anirotra ny fahafatesako

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha