You are here: home > Vetso

RIVO-DOZA - rafenomanantsoa santatra

nampihintsana ny ravina iny onjan'habakabaka
natopatopan'helatra handrendrika ny lakana
nahamaina ny hazo iny lolo namaky lavaka
namarina ny tany nanirian'ny vatana
.
.
nitety ny tontolo iny sambokelin'danitra
manga fisosa any ambany masoandro
nanitsaka ny tany iny tongo tora-pasika
hitsanganan'ny biby rehefa mahandro
.
.
naningotra ny fiainana iny hasambarana
tarafin'ny hazavana navelam'bodilanitra
nanarona ny manga ireny fitsanganana
niarahana nitafa tamin'ny ambanilanitra
.
.
nanakenda ny fanahy iny zazavavin'drano
nanamorona ny habany teny an'dranomasina
nanaitra ny nofo matorin'irony mpilomano
iny rivo-doza nanangatra tany toamasina

Sokajy : Tontolo iainana

Hametraka hevitra

Midira aloha