You are here: home > Vetso

RIVODOZA AVA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Raha namaky gazety aho androany maraina
dia olona iray no efa voasingotr'aina
fokotany maro be no efa dibo-drano
vokatr'ilay rivotra nampiditra angano
.
hiditra an-tanety rahampitso Zoma
ilay rivodoza antsoina hoe AVA
raha tany atsinanan'i Sainte Marie
no nisy an'ity rivodoza ity
.
miomana sahady ianareo any Antalaha
fa tsy maintsy handalo any ilay rivodoza AVA
dieny izao aho dia efa mandefa filazana
mba hanamora ny loza hiseho ao an-tanana
.
mitandrema noho izany ianareo mpampiasa ranomasina
eo anelanelan'i Antalaha sy i Toamasina
manomboka androany efatra Janoary
fa tena hitondra onja mahery io loza voajanahary
.
tao anatin'ny andro vitsivitsy
dia nikija tsy nijanona mihitsy
ny orana nentin'ilay rivo-baventy
mbola tsy tafiditra ao an-tanety
.
nampiditra takaitra sahady i AVA
lehilahy iray no lasan'ny rano tany an-tsaha
mbola tsy hita ny fatiny hatramin'ny omaly
efa maro be ireo tsaboina any amin'ny hopitaly
..................
FITAFIM-BEHIVAVY

Raha maina ny andro tsy dia tsiny loatra
ny mijery vehivavy mampidera foatra
fa kosa raha amin'ny andro nara ririnina
ny kibo lehiretsy dia tokony ampiriminina
.
ny vehivavy sasany tsy ririnina tsy lohataona io foatra sy feany io dia asehony eny foana ohatrany tsy manana akanjo afa-tsy ireny
ny vehivavy sasany eny an-dalana eny
.
raha manarona ny ranjo ilay fitafiana tery
tsy dia mampaninona ny maso mijery
satria mampihena ilay ota ao am-pasana
ny fitafy manarona ireo rantsam-batana
.
raha mba any amin'ny faritra tena mafana dia tsy maninona raha misanasana
ilay lamba manarona ny foatra sy fe
satria mantsy any mahamay be
...................

ALANENINA

Alanenina farany ny ahy
ny antsoko ataoko eto androany
omeko ilay sila-panahy
any lavitry tsy hita maso any
.
ataoko miavosa ny fahana
ato anaty finday lavitra ato
hiantsoako ilay tiana hiarahana
any lavitry tsy hita maso
.
fady azy izany hoe handray
ilay antsoko anaty finday
na handefa manofisa ry tiana
rehefa eto ambony fandriana
.
raha mbola tsy mandray ihany izy
dia ataoko veloma ny ankizy
manalavitra maso sy fasana
any lavitra tsy hita mivantana
.
mbola sesehena ireo vehivavy
sady volony no eto matavy
afaka hisafidianana tsara
raha hitady izay tena ho anjara
.
angaha iny irery no anjely
mahajamba ireo dobo kely
mbola maro tsy lany laniana
ireo mampikipy ny foko mangiana


Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha