You are here: home > Vetso

RIVODOZA PESTA - rafenomanantsoa santatra

Nitifitra ny lalana hikorinan'drano mena iny rivodoza nafindram-pofon'aina avy any amoron'dranomasina
namaky ny natioran'ireo olom-pirenena iny herim-bitro donga nalefan'habakabany avy any toamasina
.
nampanototra ny saiko ireo lavaka enina iny feony mimonimonina ao am-poto-pandrenesana
ireo kamory kelin'Andriamanitra sisa no manao be marenina rehefa tonga mandondona rafahafatesana
.
nampihatakataka ny vavahadin'ny tempoly iny pitik'erin'davany manify dia manify
mantsy matahotra hitsimohany ilay ao an-tanimboly dia aleony mandositra ireny tondra-tsikitsiky
.
nampangina ny tontolo tao anatin'ny aiko iny horakoraka nentin'ny rivotra hameno ny kianja
nampikopak'helatra ny efa mivoraka ny famadihan-drazan'ireo mpamono lamba

Hametraka hevitra

Midira aloha