You are here: home > Vetso

sampanan-dalana - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

nampivily ny sampanako iny hela-boninkazo
namakivaky samirery ny lalam-pahafatesana
nampanantona ny fasako iny hela-tsarivazo
tantanan'habakabaka anivom pandrafetana
.
.
nampiverina ny diako iny voromanga
nibahana ny lalako mbola lavi-podiana
nampameno ny foko iny tebony banga
navelan'ny fasany mitia ahy mangina
.
.
nampiteny ny fony iny rantsam-batana
nisampatsampana ny lalany mahitsy
nampandika ny vavany tao am-pasana
misisika iny valim-pitiavana mampitsiky

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha