You are here: home > Vetso

SETROKA MAMINDRA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Gaga aho raha nitsipalotra
ny setroky ny lanitra
teny ambany afo be
nisy setroka nandeha
.
dia namindra koa ny ony
nahita ny teny ambony
nitatitra tomany
handemana ny tany
.
indreo fa nivangongo
tao anaty dobo
ireo karazana alahelo
nanomboka nanelo
.
namelovelo ranomaso
nifangaro poti-bato
niloko fotsy toy ny sira
avy ery an-dakira
.
gaga aho teo am-pitoerana
raha nahita ny fonenana
namindra nefa toa teo ihany
sa nihodina ve ny tany?
.
rehefa voa ny sery
dia nijery anao nijery
nisy vitaminina
fa tsy nila nivakinina
........................
ILAY DOBO KELY

Rariny raha jamba ilay dobo kely
tsy azo hanasana lamba firakotra
satria kanto loatra iny zanak'anjely
ka nampandika ny didin'Andriamanitra
.
rariny raha tonga ny fakam-panahy
nirahin'i satana hanenjika ahy
hanatratra ny fasako mbola matory
hampijery iry anjely ery amoro-kamory
.
rariny loatra ny fasa-midoboka
raha tsy nisalasala fa tonga dia niroboka
iry dobokelin'ny mpanasa lamba
satria ny dobokeliny efa jamba
.
rariny ilay fasana tao anaty
raha nitsangana tamin'ny maty
tamin'ny ora tsy nampoizina
satria levony ny poizina

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha