You are here: home > Vetso

sokona - rafenomanantsoa santatra

ny molotrao hidio gadana
ny taolanao aza atsikitsiky
fa mambabo ireo rangolahy
ny fonosin'ny lamba manify
.
.
ampirimo ny fanalahidy
ry vatombaton'tsokona
fa mandady any ny biby
mananika ry rabokona
.
.
ireo bararata feno mamy
toa faikany sisa no tavela
efa notsetsefiny ny rany
nalainy ny vonin'ny apela
.
.
ireny tsy akoho tsy vorona
nefa dia misy takorobabony
no antsy fanaovany sorona
efa maro an'isa no nadabony
.
.
akombony ny vava mipentsana
zairo mihitsy raha mba azo atao
fa sambatra ny manana entana
amponosana no sady vaovao

Sokajy : fananarana

Hametraka hevitra

Midira aloha