You are here: home > Vetso

tsiaro ny fahazazana - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

faly ery nitaiza dia somokotra nitrotro
nataony tao am-babena ilay saribakoly
ilay vava plastika no nofahanana mofo
mody ataony zaza fa tsy tena izy akory
.
ny tadina taretra no narafidrafitra
ny vavany maneno no atao motera
ireny bararata no solon'ny bapampa
tsy tena izy iny fa mody atao sipera
.
ireny ravina kininina no solon'ny vilia
io vovoka io no mody atao hoe vary
ny hihinana azy aloha dia atao sanatria
ny fahazazana mba mamiko toy ny fary
.
ireny rehetra ireny akory tsy hoe tena izy
tsy toy ireny mihitsy ny tena hoe fitia
ny kivadivady kely dia kilalaon'ankizy
fa ankehitriny vao maniry ny hiara-dia

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha