You are here: home > Vetso

tsikin'alahelo - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

malefaka fitaratra ilay faribolan'afo
madiva hody mandry any ankoatran'ny avoana
malefaka fitsiky eo anivon'dava-bato
ilay loko mampisaona
.
rahoviana ny hetraketraky ny alina
vao hampitsiky iry atsinanan'ny maraina
rahoviana vao hiposaka iny nofony nivarina
any ambadiky ny tontolo tsy misaina
.
sambatra ny aiko raha mailaka fialana
toa anao ry volana amorom-pahafatesana
satria mantsy mamiko loatra iny lapan'ny tanana
naningom-pampiretana
.
embona sisa iny alahelo navelan'ny lasa
nody mandry any an-dakira
iny tsiaro iny dia tsy mety voafafa
satria efa nakorinan'ny lavi-podina

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha