You are here: home > Vetso

VOKA-DRATSIN'NY FITIAVANA - RAFENOMANANTSOA SANTATRA

Ny fitiavana rankizy
mandoro izay tsy izy
mampiditra aretina
mamela pentina
.
mamono mahafaty
ny fasana anaty
mahavaky andrina
raha tsy mitandrina
.
maningotra ny aina
mandona ny saina
mandoro mahamay
masia-toa sakay
.
teo aho no niala
matoa manambara
ka rankizy malala
aza ao miadala
................

FOHAKO NY AHY

Fohako ny ahy ny sigara
dia avy eo alohako indray
mba ampipololotra tsara
ny setroka sy afo mahamay
.
sotroiko ny ahy ny toaka
dia avy eo alohako ihany
ny toaka sy vary sy laoka
efa voateliko tany
.
fatorako ny ahy ny tavi-kena
dia atsofoko anaty avokavoka
hijerevako ilay nofo mena
na mangavoka na tsy mangavoka
.
sintomiko ny ahy ny jamala
dia asiako rano mandroatra
mba hahalasa tanteraka adala
ny tenako izay hendry loatra

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha