Planeta nofy (Ragasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nifanantona izahay roa
Niara-nidoboka ny fo.
Nofihininy mafy ny tanako
Nisy hery nanosika aho ka tsy tanako.

Ny feony iva nibitsika ahy mangina
Satriko foana teo anilan' ilay tiana.
Ny masony nitopy nanjelanjelatra;
Nampitsiry ilay elatra.

Orokay voalohany iny ka mamy dia mamy:
Hasambarana tsy roa aman-tany.
Nilokalokana ny ho mandrakizay
Saingy araho tsara ny tantaranay!

Nandritra io fotoana io ihany
Segondra vitsy aho dia tsy teto an-tany.
Tsy nisy tsaroako intsony ny amiko iray manontolo:
Nisidina aho niova tontolo.

Nisy hery nisinda avy tao anatiko tao;
Nitondra ahy ho any amin'ilay tontolo vaovao.
Angamba paradisa an-tany
Saingy fiainana hafa no hitako tany.

Tonga aho tany amin' ilay tontolon' ny fitia
Nandrandraina mba ho doria.
Vetivety teo indray aho dia teto an-tany.
Paradisa nofy iny ka nisy fetrany ihany!

Iny ilay takariva sarobidy:
Takariva tsy ho voavidy.
Takariva mahamanina;
Tsiaro mampifady hanina.

Planeta nofy iny ho ahy,
Noho ilay anjely ratsy fanahy.
Izay mba vita tsy nisy tsaroany akory
Fa dia navelany hitoloko izato foko tena ory!

Izaho ity manina ilay paradisa
Nanao izay mety, saingy ts'isy fika!
Mba noenjehiko ihany ilay anjely
Averiko fa izy ilay nitodika, kay madimosely.

Dia tena lasa ilay anjely tsy niverina intsony;
Voafitaka aho ka tsy te hitia intsony.
Ilay anjely toy ny kintana mangirangirana:
Raha ho soloina madimôsely mety hanahirana.

Saingy na ho ela na hoaingana mbola hiverina ilay planeta nofy.
Mody hatao an' izany mba ho sitrana ity foko farofy.
Maro amin' ireo tovovavy eto an-tany no mitovy ilay anjely.
Saingy tsy hatafaverina ilay "planeta"nofy velively.

Ireto madimôsely:
hafahafa tsy toa ilay anjely.
Toy ny volon-korona: avela manangona tain-
delo ,esorina maharary.
Aleo miandry ilay planeta vaovao hoarin'i zahary.

Angamba, "planeta" nofy atoandro!
Lasa ny alina fa efa ity ny masoandro.
Planeta izay lasa sary an-tsaina
kanefa mikiky maningotra aina.
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fiainana - Fitiavana
1257 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ragasy
Nampiditra : ragasyh
Daty : 22/11/2014 06:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136