You are here: home > Vetso

8 mars 2019 - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

8 Mars 2019

Ry vehivavy,

ny andronao anio!
no andro lafo vidy
koa araraoty sy ifalio
fa tena sarobidy
Sady tokana aman-taona
ka aza avela himaona

ny andronao anio
no manambara fahafahana
ka zonao ankehitrio
ny miaina ankalalahana
no sady miala sasatra
ka indro hajaiko fatratra

dia miarahaba ny vehivavy rehetra nahatratra izao andro sarobidy izao

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavojy Aimé)
08 Mars 2019

Hametraka hevitra

Midira aloha