ALAHELO (hiran'i erick Manana) (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mitsitahitaika ny fanitso
manerik'andro harivariva
mandomando koa zany tany
malahelo anao mafy aho izany
ela tsy hitahita ka mahatsiaro
embona sy ny sento mifangaro
ditsoka ny fo ka tomany
malahelo anao mafy aho izany
azoko antsaina misy anao
manofinofy anilanao
raha lanitra mangamanga ny any
ny aty anaty haizina ny tany
ny fikisaky ny ora mampifila
tsapako elabe io vao dila
oh ry ampitso mba malakilaky
malahelo anao mafy aho izany
fa mba rahoviana ihany no hiaona
f'efa leo miandry(x2) anao foana
misy fetrany izao fiaretako izao mba marina
koa faingana f'indrao adino any
malahelo anao mafy aho izany

ERICK MANANA (nindramin'i Raims Randriamalala)
ity hiran'i zoky be erick manana ity dia isan'ny tena hira bagasy mafinaritra ahy ka indramiko izany mba ho tahiry ato anaty ny rohy misy ahy, koa ampanajana no indramako izany fa tsy ho ahy tsy akory! misaotra indrindra, indrindra fa ny mpamorona ity hira ity
--------
Rohy:
1149 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104