ANARANA (Ny Aro Lahatrini (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANARANA (Ny Aro Lahatriniavo fehizoro)


io anaran'io dia anaran-tsamirery
anaran-tokana, anarana hafakely
ary anaram-pandeferana
tsy akory io fanamperana
fa anarana fotsiny ihany
sy efa voasoratra any ho any
ary efa laha-janahary
ka nosoratana ho diary
ny fiainanao Tontolo
ka tsy azon'iza hasolo
fa ho anao irery
ka na maty aza io tsy very
ary tsarovy fa io anaran'io
masina io ka tadidio
ka aza simbasimbàna
ary aza zimbazimbàna
fa io no maha ianao anao
ka aza atao ho kilalao
fa ataovy ho loha-laharana
hoe tena sarobidy ny anarana
ka ireo anaram-petaka natao
avy hatrany dia fafao
ary izay anaram-bositra
koseho fa io no fosotra
mahatonga ny olana
ka mety hampifanolana

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 09/01/2017
--------
Rohy:
915 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114