any ho any misy tany (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
any ho any misy tany

any ho any
misy tany
resin-jadon'ny mpitondra
ka raha iny hanohitra hiteny
dia efa miandry anao ny fonja
sy ny basy maro vava rehefa eny an-dalana eny

any ho any
misy tany
mihorohoro andro aman'halina
toa tsy mba misy filaminana
toa korontan-tsaina lalina
noho ny tabataba tsy misy fahanginana

any ho any
misy tany
izay hanjaka'ny tabataba
sy tolom-bahoaka sahy mijoro
nefa indrisy fa basy no mitatata,
tifitra sy daroka ka ireo fa mihorohoro

any ho any
misy tany
toa miaina anaty jaly
toa miaina anaty kizo
toa tsy ahitana olom-paly
fa toy ny gadra anaty bizo

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
02/ 09/2017 ankaraobato ankadilalampotsy
--------
Rohy:
960 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108