ASA FANADIOVANA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AMIN'NY FANADIOVANA

ASA FANADIOVANA

raha teny an-dalana aho

no indro tana-maro
nifangaroharo
manadio tanàna
ka indreo fa revo sy tamàna
ny isam-pokontany
manatanteraka izany
toa tsy mahalala sasatra
raha manadio ny tatatra

dia variana teo aho

sondriana teo ny saiko
fa sitrako lalaiko
ny hoe mbola misy gasy liam-pihavanana
ka mifanolo-tanana
hanadio tanàna

fa tampoka avy teo
indro nisy feo
hoe mankasitraka indrindra
ny amin'ny tongotra miara-mamindra
sy soroka miara-milanja
fa hay revy tena manja
ny fanadiovana tanàna

fa ny teto ankaraobato
dia niasa tsy akiato
ny vahoaka maro an'isa
ka mamisavisa
hoe sao ho lasa paradisa
ity tanànanay
ka diovina milay

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Ankaraobato 10/01/2017
--------
Rohy:
742 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107