You are here: home > Vetso

ASANA MPIANDRY - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

ASANA MPIANDRY

injao ny tabatabana mpiandry
noravahan-kira mahafinaritra!
dia miasa mafy tsy misangisangy
manoloana ireo voafatotra!

tsy hoe akory heri-tsandry
na fitaovana avo lenta
fa ny finoany fotsiny ihany
dia ampy nandreseny ny rehetra

indrisy ianao ry fahotana
dia babonao tokoa ny mpino
notoloranao ditra-pilibàna
sy rendranrendran'adalàna,
fa ity no aza adino

mbola ho resy ianao!
mbola ho resy ianao!

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
12/03/2018



Hametraka hevitra

Midira aloha