You are here: home > Vetso

DINDOM-PITIAVANA! - IMAHAKA randriamalala (mahavonjy aimé)

DINDOM-PITIAVANA!

toa tsiaro mitambesatra ao an-tsaina
itsy masoandro efa ho dila, ka mampanembon-takariva
toa tsiahy mitondra nofy ny alina, ka mampisento ny maraina
ilay horoka malefaka natolotrao indray hariva

toa embonembona daholo ireny lasa ny fahiny
ka mby ao an-tsaina foana ireny tsiky niombonana
toa avelo mpiserana manaloka ankehitriny
ilay fitiavana zinara izay mbola fanombohana

toa embon'ilay moron-tsiraka, itsy moron'ny farihy
tinazana isanandro ka mamolivoly saina
toa zary senton'ito foko ny misaina ilay fitia
izay nosomparan'ny ankaso nefa amin'iza no hitaraina!

dia resy, noseran-dambo ilay vero vao hiana-kijoro,
tsy nahatsangana intsony fa folaka an-dantony
ny foko naniry, kinanjo lavon'ny mpikoro!
ka nilefitra mangina, tsy re intsony ny fitempony

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
ANDRONDRA 25/10/2017





Hametraka hevitra

Midira aloha