AZA ATAO HO VOADY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA ATAO HO VOADY

rehefa mba mitia ianao
dia mitiava fotsiny ihany
f'aza mba mivoady
amin'ny resaka fitiavana
fa tsy ho zakanao
ny hisedra irery izany
indrindra fa ny ady
miharo setrina fandavana

mitiava,
mitiava fotsiny ihany
f'aza mampantena
izay tsy ho tanteraka
ka hanamaloka ny tava
mora kotran'ny tomany
fa matoa ianao nekena
dia vonona hiaraka :
hiaraka hifanohana,
hiraka hifanampy,
hiaraka hifanaja,
fa tsy hilalao fitia
ka raha mbola fanombohana
dia koloy am-pitiavana
ilay vony fanja haharitra ho doria

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
taona 2019-01-08
--------
Rohy:
847 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167