AZA MIMENOMENONA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MIMENOMENONA!

aza be menomenona
fa mba miandrasa aloha fotoana,
aza mimenomenona
f'izao no zava-misy koa ataontsika ahoana!
fa iza no nifidy ka nametraka azy teo ?
ary iza no nandatsa-bato tsy ankiteniteny?
dia aza mimenomenona f'efa mankaleo
ity fanankian-dava izay efa ho lavareny

dia aza mimenomenona
fa miandrasa fifidianana;
ka raha misy ny hotenenina
na mety ho fanankianana
dia andraso ilay fotoana
hafantaranao ny valiny
ka na ahoana na ahoana
dia ekeo f'izay no rariny!

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
20/02/2018
--------
Rohy:
1009 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174