aza tsiny indrindra hoy i Dada (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
aza tsiny indrindra! hoy i dada

anaka,
aza tsiny indrindra
raha toa tsy nahavimbina
izay nafaranao,
manko, ny vola am-pelatanako
zato ariary monja
ka tsy ampy nividianako
izay tadiavinao,
niaka-bidy mantsy
ilay entana fividiko
niakatra ho roan-jato
ny saran-dalako mahazatra,
dia niafiko dian-tongotra
ny lalana mizotra
himpody aty an-trano
koa aza tsiny indrindra
raha toa tsy nahavimbina
izay nafaranao.

koa etsy matoria,
fa rahampitso hovinidiko,
Izay nafaranao
any mantsy misy vola
zaitrana kiraro,
avy amin'ngahy Randria,
fa hatreo am-pitoniana
izany torimasonao!
ary manofisa mamy
izany sombiniaiko izany
fa i dada koa atory!

korisam-penin'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
13-08-2018
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana - Fitiavana
1227 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105