You are here: home > Vetso

AZON'ODY - IMAHAKA randriamalala (mahavonjy aimé)

isika malagasy

toa fatra-paniriana
te higoka fifaliana
te ho lavi-pahoriana
te ho lavitra hakiviana
ka miandrandra fatratra
fiainana mba lafatra
dia mikatraka fahasambarana
miandry valin-kasasarana
hanatsarana lafim-piainana
hanamboarana fisainana

kanefa indrisy!

toa vina fotsiny ihany
toa nofinofy tsy ho tanteraka
raha izany fanirian'izany
ka tena mila handreraka
ny mieritra ny fiainana
ny mandinika ny misy
ka tsy atao hitarainana
fa efa izao mihitsy
no laha-janahary
ho an'ny malagasy
ary efa hita miharihary
fa mihamaro koa ny ratsy

dia mandiniha ianao
ary saino fa misy todin'
ny zavatra natao
ary isika izao efa azon'odin'
ny fombafomban-dreo vahiny
ka jamban'ny vola sy harena
dia isika samy isika no mifanome tsiny
f'efa lafo ankolaka izao ny firenena

ka tsy ho tafavoaka isika malagasy fa efa azon'odim-bazaha

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
17/01/2018



Hametraka hevitra

Midira aloha