You are here: home > Vetso

DINIHO!!! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

DINIHO!!!

Mirongatra
mipongatra
mitombo hatrany hatrany
izany mpanakanto izany

dia mihasimba
sy voazimba
ny tena kolontsaina
izay tiana sy lalaina

ary tsapa tato ato
fa hay misy mpanakanto
tena tia manimba
ny literatiora sy ny riba

sao ataonao mahatezitra
ny teny izay voalazako
fa hisaino an'eritreritra
ny hafatra soratako

dia anjaranao ny misaina
anjaranao ny mandinika,
fa hatreto ny seha-kolotsaina
dia tsaroako ho mbola bitika

saino izany anio!

nosoratan'i RAIMS Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
10-08-2018


Sokajy : ahy, Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha