You are here: home > Vetso

EMBONA - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

EMBONA

eto am-baravarakely eto
no hitazanako ny lasa rehetra
ka ho tsiaro mpamelon-tsento
ilay fitiavako voasetra

lasa ilay nantenaina
nandao ahy ilay silako
ka zary mankarary aina
ny tsy ahita azy ho anilako

maro ny lalana lalovako
indrindra ny lalan'ny fitiavako
fa ny ratsy foana no tsarovako
ka ny alahelo no nahenika ny tavako

dia eto an-davarangana eto
no hanadinoina izany rehetra izany
ka ireo tononkalo no vetso
sy hira andefasako vinany

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 14/10/2017

Hametraka hevitra

Midira aloha