fanantenana (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha mbola misy ny farany
dia tsy ho foana ny fanantenako
hinoako fa ho avy ilay Zanany
hanafaka ahy amin'ity fahotako

raha mbola misy ihany ny farany
dia tsy ho foana ny fanantenako
ka ilay famirampiratan'ny Tavany
no indro tazako ka afak'ity adalako

fa raha mbola misy foana ny farany
dia tsy ho foana fanantenako
ka ny fanahiko izay ho raisin'ny Tanany
dia hiadana ary hany hasambarako

nosoratan'i Raim Randriamalala (Mahavojy Aimé)
04/08/2017
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1090 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159