You are here: home > Vetso

faranako - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

faranako

izaho tsy hiasa-asa saina
intsony izay mombamomba anao
na hiferotr'aina
intsony izay mety ho ditranao

fa aleo ho fanaranako amin'izay
ireny tambitamby nifanaovana
ireny sangisangy hatrizay
f'efa tonga izao ny ora tsy maintsy hifandaozana

Na mbola ao anatiko ihany aza ny fitiavana
dia ialako tsiny fa tsy ho anao intsony izany
eny fa na te hisonanika hitavana
aza, dia aleo ho an'ny hafa ireo sisa tsy lany

laony izany foko
tofoka tanteraka
fa rava antsokosoko
ilay fitia ka asiako resaka

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy Aimé)
tanjombato 07/11/2017

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha