fitiavana latsa-paka (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA LATSA-PAKA
tantara mitohy azo lalaovina tsara amin'ny onjam-peo

tany mahajanga no niandohan'ny tantara rehefa iny i volana nanao fialan-tsasatra
tany iny dia sendra tovolahy iray antsoina hoe i Rado no anarany, samy avy aty antananarivo mantsy izy roa ireto saingy mifanao atsimo sy avaratra, nafinaritra tokoa ny fialantsasatra satria tafahoana tamina toerana iray teny amoron-dranomasina ireto mpiala sasatra izay mbola tsy nifankafantatra anarana ka teo indrindra no nanombohan'i tantara. hoy i Volana "ndeha haka rivotra kely etsy aho aloha fa somary rerak'iny lalana lavitra dia lavitr'iny ka!", "itsy eny misy toerana tsy dia be olona fa aleo aho eo no hakaina sady inoako tsy hisy anelingelina mihitsy ngamba ka!" rehefa tonga teo izy dia lasa saina sady faly fa izao koa moa vao sambany nahita an'izany ranomasina koa dia hoy izy nanao anaka-po hoe : "hay ve izao izany mahita ranomasina izany e, tena mafinaritra kosa koa, indrindra fa ny rivo-drivotra azo avy aminy tena itako azoko ery mihitsy izany ny aiko !" teo dia niasa saina irery teo izy fa tsy tao an-tsainy intsony ny fandehan'ny ora izay efa mby miha-atoandro! ka taitra tampoka izy ka hoy izy hoe:" hoay! hay efa atoandro be izany andro izany, nilaozako teto fotsiny nefa mbola hijery an'ilay trano izay ho vantanina koa! mitaintaina ao izay ry dadatoa sy nenitoa marina!", vao hitsangana teo anefa i volana dia voan'ilay baolina izay nolalaovin-dry Rado ka tezitra mafy ery ny anao vavy fa nahatsiaro naharary ny lamosiny raha iny izy hitsangana efa maika kely iny ka hoy izy hoe: "kay!" dia tonga teo akaikiny i Rado ka nialatsiny nanao hoe: "tena azafady r'ise fa voadona an'ity baolina ity lamosinao a! mialatsiny indrindra re!" dia nitsaka i Volana ka raha nahita azy dia tsy naha-teny tao anatin'ny segodra vitsivitsy fa taitra be mihitsy izy nahita ny hakanton'ity tovolahy ity, ka hoy i Rado niteny azy hoe "ndry fa fa toa tsy mahateny akory izato ianao f'angaha marary lay izy teo? no sady nosakambininy kely volana dia namaly azy volana ka hoy izy hoe: "aaa tsy maninona aho ka, fa ny lamosiko no somary marary kely fotsiny" dia hoy i Rado hoe : "fa aiza ianao no mipetraka fa tsy maninona fa ateriko raha toa ka tsy tody any aminareo ianao? dia hoy i Volana hoe : "aaa ka, aoko amin'izao fa afaka mody tsara aho ka, sady tsy misy tsiny koa! misaotra fa aleo amin'izao". dia hoy ihany i Rado hoe : "dia mbola mamerina ny fialan-tsiny r'ise a, i RADO aloha no anarako e!" i Volana : "faly mahafantatra, ny ahy kosa i Volana". i Rado : "faly mahafantatra an'i Volana". dia lasa i Volana namonjy ny fodiany fa efa dondona matahotra ery noho ireto dadatoany sy nenitoany izay mitaintaina miandry azy ao an-trano afaka fotoana fohy dia tonga tao antrano ihany izy ka hoy hoe : "haody ry dadatoa a, ao ve nareo ry nenitoa o!". dia novohain'i nenitoa ny varavarana ka hoy izy hoe : "toa taraiky tany izato izy f'angaha tsy hitanao ny taty e, angaha tsy natorin'ny dadanao ny makaty aminay ka?". dia namaly volana hoe: "efa natoriny ihany fa tsy tadidiko, izaho aza nanontany olona vao nahita an'ity trano ity koa nenitoa ngaha ahoana? ao aloha mba raiso ireto entako ireto fa tena reraka aho izany ka!" dia noraisin'i nenitoa ny entany no sady nampandroso azy hiditra ao an-trano izy. dia hoy i nenitoa hoe : " tonga vahiny isika rainy a, fa aiza ianao e".
namaly dadatoa nanao hoe: "iza hono zany vahiny izany e, aay ve Volana e, toa taraiky be izy zany vao tonga fa ngaha tsy hita ny nakaty aminay e, ngaha tsy natoron'ny rainao
no misy anay?" dia namaly Volana ka hoy izy hoe: " efa natoriny ihany ka fa tsy tadidiko dia nanontany olona dia izao tonga aty aminareo izao!"
noho ny ampitso dia niverina teny amoron-drano i Volana mba hilalao rano hono izy rehefa iny hiera tamin'ny dadatoany sy nenitoany ka dia nahazo alalana moa satria efa niera
tsy tena hilalao rano anefa no tena anton-dia fa ny ahita an'i Rado, ka dia lasa ny anao vavy ho eny amoron-drano, nilalao rano ihany izy fa tsy dia nahasahy niroboka teny amin'
lalina fa entiny tahotra ihany, elaela teo anefa izy dia mbola tsy nahatazana an'i Rado ka dia vaky saina ka nanao anakapo hoe : "fa ngaha ary i Rado niova toerana ilalaovana baolina fa toa tsy ety akory?" ; tampoka teo anefa nahita mpilalao baolina kanefa tsy nahita azy akory dia nanontany tena ihany izy hoe : "toa tsy amin'ireto fa nankaiza ary?" te hanontany anefa tsy mahasahy, afaka fotoana fohy dia tonga tampoka i Rado rehefa iny izy andefa hanapa-kevitra hody ka nisy niantso hoe: " Volana,Volana" dia nierik'izy ka sady nitsiky no te hiazakazaka ka hamihina azy mafy nefa tsy nahasahy. ka hoy Rado mantsy azy nanao hoe : " efa ela ihany angaha ianao no teto?" dia namaly izy hoe : "ie, efa andeha hody mihitsy ary aho io koa". sady nilalao tanana kely no te heneho ny hafaliany noho ny amin'ny fahitany an'i Rado; dia hoy i Rado hoe: " ody sahady ve nefa zaho aza mba te andendeha hiaraka aminao sady mbola vao amin'ny sivy ora sy sasany anie zao e!" dia hoy Volana hoe : "izany ve, fa andehandeha ho aiza hono izany isika?, izaho anie mbola tsy mahafantatra ny eto mahanjanga akory e!" dia hoy Rado etsy manao hoe: " ao fa hoentiko mijery ireo toerana mafinaritra indrindra eto mahajanga ianao, ireo toerana izay falehan'ny olona sy be mpitsidika indrindra e, ka ahoana mety aminao?, dia namaly azy indray i Volana ka nanao tamin'ny hoe: ka sao dia lavitra be na elabe isika no any dia bedy aty aho koa! fa raha akaiky ety ihany dia tsy maninona fa afaka mandehandeha isika, fa raha toa ka hoe alavitra laotra no andehanana dia aleo aloha ho zokin'ny ao aorina koa dia mba afaka miera aho tsara amin'izay". dia hoy i Rado nanontany hoe : " fa angaha ianao tsy aty no mipetraka? koa hoe mbola tsy mahalala ny eto mahajanga? dia novaliany i Volana
hoe :"tsy monina aty aho ka, miala sasatra ihany aho no aty, sady sambany izao aho vao taty! dia izay rehetra ataoko aty dia mila miera amin'ny dadatoanay sy nenitoanay vao afako mivoaka ao an-trano" dia hoy i Rado :" izany a! izaho koa miala sasatra ihany no aty fa misy zokiko izay mipetraka aty dia mba miala sasatra kely aloha fa reraky ny rivotr'Antananarivo e!", "izany ve hoy i Volana" namaly azy, "fa ianao koa izany vao avy nahavita fanadinana no izao miala sasatra aty izao" hoy ihany volana manontany dia hoy i Rado hoe: "izaho sady miasa no mianatra, fa ny fianarana no efa vita tamin'ny farany herinandro ny soutenance fa miandry valiny, ny asa indray ao amin-dry dada ihany no miasa dia afaka manao vacance kely e" ny resaka moa nandeha dia nandeha ka tsy tsaroan'izy roa intsony ny fodiana izay efa ho amin'ny roa ambin'ny folo ora tolakandro, teo dia taitra tampoka i Volana ka somary nijery ny famantaran'orany tamin'ny findainy ka hoy izy hoe :"ohay efa amin'ny roambin'ny folo ora marina bedy ndray zao fa tara fodiana sakafo" dia lasa i Volana nody ka hoy izy mantsy an'i Rado hoe :"mety aminao ve raha eto ihany isika rahampitso no mihaona?" dia hoy i Rado hoe : " eny ary e tsy maninona fa eto ihany zany ko" dia lasa i Volana nody tamin'ny fo feno fifaliana satria dia tafahoana tamin'i Rado ihany ka tena faly. nony hampitso dia tafahoana tamin'i Rado indray i Volana ka nifampiresaka indray izy roa fa andro sisa no isaina dia hiverina himpody any antananarivo indray, ka nifamoraka fitiavana teny amoron-dranomasina teny;
hoy i Rado tamin'i Volana hoe:" volana tsinjonao ve iry masoandro hadiva hilentika iry? Iny no rahona miloko mena iny no ataoko ho fahatsiarovana anao rehefa mibanjina ny lanitra aho ary anio ihany no no hilazako fa ianao no ilay volana hanazava ny alina, ianao no hanavaza ny fiainako ka raha sitrakao dia omeo ahy eto ny valiny ny hoe tiako ianao"
somary taitra kely i Voalana ka nanao hoe:" hoay tia ahy ianao? dia hoy i Rado hoe : "tiako ianao ry volana a! fony isika vao nifankahita voalohany teto mahajanga dia nitempo fitiavana ny foko kanefa tsy sahiko ny nilaza izany taminao nandritra izay nifankalalantsika taty izay, fa angaha tsy mety aminao ka, toa tonga mantsy dia taitra be izato ianao?" dia nisalasala kely i volana no sady lasa vinany nandinika an'i Rado, dia mbola nanontany azy ihany i Rado hoe : "eh toa variana be ndry izany? azafady ary e hifonako aminao raha nanafintohina anao izany teniko izany?" i Volana :"a,a,a, azafady fa variana kely aho, sitrako tokoa ny hamaly anao ka, izaho koa tianao ry Rado a, raha ho tantaraiko anao tokoa ny ato am-poko dia ela vao ho vita izany moa ny andro koa ity efa mby hariva". i Rado: " izany ve! etsy horohako izany havako izany" dia nifanoroka kely ary taorian'izay dia nanainga ny hiakatra aty antananarivo i Volana fa i Rado kosa mbola taoriany fa mbola nisy nahatana azy izay tao amin'ilay zokiny ka ny ampitson'iny izy vao nanainga hiakatra aty iarivo.

mbola hitohy
tantara nosoratan’i Raims randriamalala (Mahavonjy Aimé)
tamin’ny 23 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
1832 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145