fizarana faha telo fitiavana latsapaka (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tohin'ilay tantara fitiavana latsa-paka!
teo amin'i fetra sy i Rado nifankahita no tapitra faharoa ka dia tonga amin'ny tapany fahatelo isika izay alohan'ny farany tantara.

i fetra " i Rado! ity izany ilay olon-tian'i Volana tadiaviny hatrin'ny elabe izay a" hoy izy sady variana no somary nandinika tsara an'i Rado. dia hoy i Rado tamin'i hoe :" fa toa variana be ingahy izany na ny fanontaniako aza tsy enonao akory, sady ilaozanao mandinika ahy fotsiny", dia namaly azy i fetra hoe :" oadray azafady fa nisy nahalasa ny saiko tampoka teo dia tsy reko ny fanontanianao, hoe ahoana hoy ianao teo? iza moa azafady?", dia nitsiky kely i Rado no sady namerina ny fanontaniany hoe: " I Rado no anarako, sao dia mba fantatrao oa ilay tovovavy atao hoe Volana? hitako mantsy izy indray andro izay tamin'ity lalana ity saingy...!" dia hoy i Fetra mantsy hoe:"hay ve i Volana e, fa ahoana misy ilàna azy maika ngaha sa? hoy i Fetra te hanatsafa azy fotsiny etsy, dia hoy i Rado taminy hoe: "ie, tena misy ilako azy mafy mihitsy, f'angaha fantatrao izy?" dia namilafila azy indray i Fetra hoe:"iiiiiie! fantatro tsara hoatran'ny ato anatin'ity kitapoko babeko ity izy ka" hoy izy etsy sady mihanihany azy, dia hoy indray i Rado : "mba azonao lazaina ahy ve no misy na atoronao ahy izany ny tranony fa omeko valisoa ianao!", dia izay zavatra izay no nandrasan'i Fetra tany amin'i Rado, ka hoy izy hoe :" inona? valisoa hoe? sady faly izy no avy hatrany dia niteny hoe " ie andao fa tena hitako mihitsy ny misy azy ka!" i Fetra moa tsy nampahafantatra ny tenany mihitsy hoe anadahin'i Volana fa maika ny ahazo ilay valisoa fotsiny, dia noentiny tany an-trano izy, i Volana moa tamin'io fotoana io mbola tsy tao an-trano tamin'io fotoana io ka dia nasain'i Fetra niandry tao i Rado ka dia somary gaga ihany hoe :"fa hono ho aho, f'angaha tsy ny tranon'i Volana no atoronao ahy fa toa ato an-tranonao indray aho no entinao?" dia i Fetra vao niteny hoe :"oadray hay moa mbola tsy nolazaiko anao hoe izaho no anadahiny! i Fetra no anarako ry Rado a, mianadahy ihany no zanaky dadanay sy neninay e, fa i neny kosa no efa tsy eo intsony fa i dada no sisa nitaiza anay ato!", dia hoy Rado hoe :"hay faly mahafantatra an'i Fetra izany aho koa, dia aiza izao i Volana ry Fetra no tsy tratra ato an-trano nefa izaho izany efa te ahita azy mafy mihitsy a!", i Fetra : "hay moa mbola tsy ato tokoa izy fa nisy nalehany izay fa tsy nilaza tamiko izy! na mety mbola nisy nahatàna azy ngamba any an-dalana any fa otr'izao mantsy izy iny tokony ho efa ato ko", i Rado :" izany a! eny andrasako eto izy izany f'izaho ko tsy dia maika raha teo "; "eny ary" hoy Fetra etsy no sady nanontany azy hoe :"sao dia misy tianao ho hanina na tianao hosotroina? sa ilay mafàna no mety aminao?" dia hoy i Rado hoe :" aleo angamba ranom-boankazo raha mety e!"!, "eny indray àry" hoy i Fetra no sady naka izany tao amin'ny vata fampangatsiahana izy, "ity àry" hoy izy. taoriana kely anefa dia tonga i Volana sy ny dadany avy hatrany dia niditra ka hoy i Volana hoe :" o ry Fetra a! fa aiza ianao e? sady somary sorena kely izy fa tsy nidin'i Fetra ny vavahady fa adinony fa izy raha teo maika ny ahazo ilay valisoa fotsiny dia tsy tao antsainy intsony izany fa avy hatrany dia nampandroso an'i Rado tao an-trano, dia namaly izy hoe :" efa ato ka! fa inona ko ary ity mitratsevatseva ity e?" dia hoy i Volana hoe :" fa maninona izao io vavahady io no tsy nidiana ka? raha lasa teo io alikakeliko io dia asa izay nanaovako an'ialahy teo a?" dia hoy izy hoe :"oadray tena adinoko tokoa marina"! dia hoy ny dadany hoe :" fa inona indray izao no mahavariana an'ialahy ato an-trano ato ka! ilaozan'ialahy milalao jeux fotsiny ato indray izao!" dia nambarany hoe :" aaa kosa e, mbola variana nikarakara vahiny tato aho ka!" dia hoy i Volana hoe: " vahiny iza ko ry Fetra?", "aza mananihany eo letsy a" hoy ny dadany etsy, dia hoy Fetra hoe :" dada koa izany dia efa mankahala ahy ery! efa hoe izany no marina ko" dia hoy ny dadany hoe : " fa tonga ao ngaha dadatoa sy nenitoa letsy", dia namaly Fetra hoe : "ko ngaha ireny ihany no vahintsika ry dada a! mba manambahiny vaovao ko tsika e!" dia hoy i Volana hoe :" fa iza izany ry Fetra a!" dia hoy indray i Fetra hoe : " mba surprise re e!, ao mandroso ao dia ho hitanareo ao izy e, ao amin'ny efitrano fandraisam-bahiny ao izy e!" dia nandroso i Volana sy ny dadany no sady nimenomenona kely hoe "aza hitako laingan'ilay i Fetra iny izany". nony tonga tao an-trano izy dia tsy nahateny fa nidanaka fotsiny no sady tsy nahaloam-peo, raha iny Rado niodina nijery azy iny; dia hoy izy hoe :" i,i,i, Ra, Ra, Rado marina", sady nihazakazaka mila hianjera hamonjy hamihina an'i Rado, dia torak'izay ihany koa no nataon'i Rado namonjy an'i Volana ka sady latsa-dranomaso, dia hoy i Volana hoe: "i Rado fa taiza foana ianao no tsy hitako?", dia hoy i Rado hoe:" niasa foana aho ry Volana a, ary tsy nandeha tamin'izay laoanina mihitsy aza ny asako mieritreritra anao nandritr'izay fotoana maro izay ko!" dia hoy i Volana hoe :" izaho ko aza ko, fa ahoana no nahitanao ny taty amina?" , dia hoy i Rado hoe : "fony sendra nandalo tety amin'ity tanàna ity dia somary nahatazana anao fa tsy nino aho hoe ianao iny niantsena iny!" fa otran'ny hoe mitovy aminao fotsiny angamba" andro vitsy taorian'izay anefa dia tsy nahatombona mihitsy ny saiko ka dia niverina tety aho ary nanontany izay misy anao kanjo nahita an'i Fetra mba azo nanontaniana dia izao tonga eto izao!" dia hoy i Volana hoe : "izany ve! tena na izaho koa aza anie nahita anao tao anaty fiara miloko fotsy e, saingy tsy nino ihany koa aho hoe ianao ka dia lasa fotsiny aho, ary ny misy ahy aza tsy nolazaiko taminao hoe aty izahay no mipetraka", dia niditra i Fetra ka nanapaka ny resany ka hoy izy hoe:"aaa, ela be izany fa efa io izy izao ry Rado a, fa aiza ilay valisoako, fa mbola somary maika kely aho hijery zavatra ho vidiana ko say inoako fa ho betsaka izy izany a"! sady nitsikitsiky handray valisoa; dia hoy i Volana mantsy azy hoe :"ity Fetra ity ko izany masosotra a", dia hoy i Rado hoe :" aaa tsy manina izany ry Volana a fa raha tsy izy ko anie tsy nahita anao izany aho e ireo izay nanontaniako mantsy nilaza ho tsy misy mahita ny tranonareo ko! dia rariny izy raha omena valisoa, ity re r'ise ry Fetra fa misaotra indrindra"! mety iny?" hoy izy nanolotra an'ilay valisoa dia hoy i Fetra sady nivazivazy taminny hoe : "ie, mety aloha ity fa raha misy fanampiny dia aleo mba zokin'ny ao aoriana e! ilaozako kely aloha nareo e" sady lasa izy, dia hoy ny dadany hoe fa ho aiza ialahy ity e misy vahiny anie io, dia hoy i Volana hoe :"aleo izy aloha ho any ry dada a!" dia nampafantarin'i Volana tamin'i Rado ny dadany ka hoy izy hoe :"izy ry Rado no dadako a, dia iza kosa no Rado ry dada a"! hoy i Rado :" faly mahafantatra anao tompoko" dia torak'izay koa hoy ny dadan'i Volana etsy namaly azy.
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
1214 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148