You are here: home > Vetso

GASY KANTO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

GASY KANTO

Gasy ka manja!
Gasy ka tsara!

ekeko ry zazavavin'iarivo

fa anananao ny fitafy tena kanto,
anananao ny fitafy tena raitra
ary ny famindranao milanto
sy ny fidolanao tsy taitra
no nahasarika ny masoko,
nanaitra ny ambom-poko
ity fitafinao marevaka
mikisarisarimbonikazo
ka babonao tanteraka
ny foko mora lavo
ry zazavavin'iarivo

dia finaritra ny maso
ary tretrika ny saina
fa nasandratrao ho avo
ny tena kolontsaina
hiavahany amin'ny hafa
fa hafa koa raha hafa
ny fitafy malagasy
ary manja koa ka manja
ny fitafy lambalandy

meteza ianao hitia
ny fitafy malagasy
meteza hankafy
ny fitafy lambalandy

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy Aimé)
08/06/2018


Hametraka hevitra

Midira aloha