HAFATRA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA

ry zandriko

esty ianao hafarako
ny amin'ny fiainan-tokatrano
tsy akory ny fananarako
no tena tonga lafatra,
fa ny tsara no mba tano

izao retsy razandry a:

tsarovy fa ny fanambadiana
dia lalam-paniriana
eo amin'ny fiainana
ka ilàna fisainana
ilàna fandinihana
fa tsy hoe rehefa avy mifamihana
dia hanapa-kevitra hanambady
tsarovy fa ao no tena ady
ka ilàna fitandremana
mba tsy ho azom-panenenana

tsarovy fa ny fanimbadiana
no lalam-pihafiana
lalan-tsy fisiana
ka raha tojo tsy fahampiana
dia miezaha hatrany
hitraka tsy hitomany
fa izay no fiainana ao
tsy akory kilalao
tsy akory kivarivary
Na koa kisarisary

koa tapaho tsara ny hevitra
dia diniho tsara an'eritra
vao manampan-kevitra
izay aloha no hafatr(a)o,
ka aza atao matezitra
ary tsy akory aho mampitahotra
ka ataonao hampiahotra
na ataonao mampihemotra
fa hizory moramora

Izay no izy razandry fa mirarisoa anao

RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy Mahavonjy Aime)
tanjombato 14/12/2017
--------
Rohy:
979 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165