You are here: home > Vetso

HAFATRAFATRA - IMAHAKA randriamalala (mahavonjy aimé)

HAFATRAFATRA

Etsy ianao hafarako
ry namako any ho any
fa ilay madagasikarako
Izay miaina anaty jaly
dia mila anao hiverina
mila anao himpody
fa mitady hitamberina
ny tsiny sy ny tody

etsy ianao hafarako
ry mpivahiny an-tanin'olona
f'ity tanindrazako malalako
dia milomay anaty tolona
ka mila anao hanampy
ary mila anao ho vonona
fa efa mila tsy ho tanty
Ity famonoana olona

etsy ianao hafarako
ry mpitondra fanjakana
fa ireo malagasy namako
izay mizioga fahantrana
dia efa tofoka sy leo
mibaby fahasahiranana
ka raha toa miaka-peo
dia aza mba sakanana

nosoratan'i RAIMS Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
TARA-BOLANA RANDRIA
24/04/2018 tanjombato

Hametraka hevitra

Midira aloha