You are here: home > Vetso

FITIAVANY NY TANINY - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Ry Malagasy namana!

etsy mitolòma
ary aoka ho tsaroana
ireny rà nandrika
namonto itony tany
noho ny ady politika
izay tsy nisy fiafarany

ary ireny lasa nodimandry
izay mba hany heri-tsandry
no fitaovana ampiasainy
ka nanolorany ny ainy
mba ho fanavotany ny taniny
fa ny tetsy andaniny
dia tifitra avy hatrany
ka nandatsahan'ny ràn'
ireo mpitia ny tanindrazany
ka ny rà izay nalatsany
dia tsy nasiny tambiny
fa noentiny any am-pasany



raims randriamalala (mahavonjy aimé)
tanjombato 24/04/2018



Hametraka hevitra

Midira aloha