You are here: home > Vetso

hiantoraka amin'iza? - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

HIANTORAKA AMIN'IZA,

Hiantoraka amin'iza
ianao ry foko efa resy
hiantsampy ireo sakaiza
izay efa mahay mandrefy
ny resaka fitia!
sanatria dia sanatria

Hiantoraka amin'iza
ianao ry foko adaladala
hisarongotra sakaiza
minia tsy mahalala
ny hasarobin'ny fitia!
hialao sao ho sanatria

hiantoraka amin'iza
izato foko nofitahana
va, hitamby ilay sakaiza
zatra fanitsahana?
ialao fa famorika
mpanimba sy mpamotika

diam-penin'i RAIMS RANRIAMALALA (Mahavonjy Aimé) - 25-02-2019

Hametraka hevitra

Midira aloha