ilay hatsaranao (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ilay hatsaranao

ilay tsikinao mamiratra iny
toa miendri-bato soa
ireo nify izay miseho
no manintona ny masoko
ary raha iny aho nijery
dia tazako ilay fandainga
izay manendrika sy mandravaka
ilay endrikao mahate ho tia

ilay feonao manga
mandrotsirotsy izany foko
sy mampilamina ny saiko
ka mampirehitra ny fitiavako
mampidoboka ny foko
mampangovitra ny tenako
rehefa injao ianao miteny
ka tonga maivana ny vatako

dia ilay volonao malama
tsy mifatotra amin'ny tady
nefa milamina tsy namboarina
kanefa mandravaka ilay hatsarana
dia ilay endrikao mahafinaritra
sy ilay bikanao nambabo ity foko
ka lasa tiako foana ianao
ary babonao tanteraka aho

tiako ianao,

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Aogositra 23 - 2017
--------
Rohy:
1283 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015