tohin'ilay sombin-tantara (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tohin'ilay sombin-tantara "tena tia tokoa"

Sariaka:
efa ho avy re nenitoa a!
sssh, nareo koa izany dia efa maika ery
andao ry nomentsoa a, etsy mandrosoa
fa maika ny ahitanao hono i tatie

Nomentsoa :
eny ary e! dia androso tokoa moa izany
nefa izaho ange tsy dia aharitra ela e
fa mbola tena somary maimaika ihany
ary mbola misy fotoana kely hovonjena

Nenitoa Lolona:
hay! nefa na izany aza,
mba miandrasa aloha sakafo
eny fa na dia indraim-bava
fotsiny aza mba handaozanao ny ato!

Nomentso:
hihihi, ianao koa izany dia misahirana
aleo aloha ngamba zokin'ny any aoriana
fa ny androany aloha mbola sahirankirana
ka tsy afaka miandry ela, izaho koa mbola lavi-podiana

Sariaka:
nomena koa izany, dia andeha sahady ve izany
nefa mbola tsy nisy firy minitra akory
sady i Nenitoa koa aza izao mbola mety hanontany
nefa ianao ity maika ny andeha hody!

Nenitoa Lolona :
eny ho aho ry Sarika, dia inona izany no anton-dia
raha izay fotoana fohy kely izay no naleha taty?

Sariaka :
ka na izaho koa aza mba gaga ry Nenitoa koa?

Nomentsoa:
izao r'izy mianaka a! hanainga rahampitso ho any iarivo aho
ka izay no anton-diako aty aminareo izao!

Sariaka:
hody! izany ve fa'angaha dia tsy afaka miandry ahy?
sady amin'izay tampoka be nefa ianao tsy mbola nampatsiahy

Nomentso:
tena tampoka aky malala a, izaho koa aza mba tsy nahateny
gina tsy naloham-peo tamin'ilay antso nataon'i neny!

Sariaka:
eny ary koa akory atao, izaho koa aza hanainga amin'ity herinandro ity
f"efa niantso ahy koa mantsy i dada sy neny
hoe: tsy maintsy miakatra, f'efa hianatra amin'ny alarobia
dia ny talata maraina no hanainga fa sao taraiky eny andalana eny

Nomentsoa:
hay! tsara kosa izany koa, fa any indray izany mihaona
koa tsy aleo ve mba asiana fiaharana farany
ho fanaovam-beloma an'ity mahajanga ity, sa ahoana?
dia eny amin'ny bord eny no hanadinoana ny anarany (hihihi)

Sariaka:
tena mety tokoa izany!
fa aleo aloha ianao manao veloma an'i Nenitoa
sady miera aminy amin'ilay andehanako any
dia aterinao aho rehefa tonga ny amin'ny roa

(Nenitoa kosa tamin'io fotoana io mbola variana tao andakozia)

Nomentsoa: (eny ary hoy nomentsoa)
lasa aloha aho ry nenitoa Lolona
fa mandrampihaona indray
sady efa niantso ahy koa ilay olona
ka dia angata-dalana aloha ny tenanay

Nenitoa Lolona:
eny ary! fa dia soavadia e, ary ndehana fa sao sasa-miandry ilay namanao e!

mbola hitohy

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy Aimé)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana - fiainana
1675 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022