You are here: home > Vetso

ILAY PÔKETRA MAINTY - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

ILAY PÔKETRA MAINTY!!!

Nitoetra ho fahatsiarovana
sinarotra adinoina
ilay pôketra mainty fivimbinao!
mantsy iny, voaloham-panomezana
ho fanam-porofoina
Ny fitiavako anao!

fanomezana kisendra
tsy dia naha-saro-pisaina,
nefa nahatahiry ny fitiavantsika!
tsy toy irony rado fanao an-tenda,
na toy irony raozy mena an-jaridaina
no nahamafy horina ny fiarahantsika,
fa iny pôketra mainty iny
no fatsiarovana tsara indrindra
tamin'ny tantaram-pitiavantsika
mbola voatahiry ao ireo lasa ny fahiny
mbola voatahiry ao ireo kalo tsara rindra
mbola voatahiry ao ilay sary indray mipika
nanamarika ireny fiarahana nigohana ny mamy
fa ankehitriny ireo tsiaro-dasantsika
toa mampirongatra vinany,
toa mampanembona ny vita!

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
06-08-2018 tao tanjombato





Hametraka hevitra

Midira aloha