IMERITSIATOSIKA!!! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IMERITSIATOSIKA!


ity lozanao, r'ilay tsy vanona iny
dia hatramin'ny zaza tsy manantsiny
no anehoanao habibiana!
tsarovy fa ny vavany mangina
sy ny vatany natory
izay nataonao fialamboly
tsy ho adinoiny ireny akory
Ary izato rà nalatsakao
ireny no hanameloka anao

ary ity zaza valo taona
izay tsy mbola mahay misaona
tsy hisy dada mba ho antsoina
na koa neny mba hanoina
izay sento sy tarainy
ary tsy ho afaka ao an-tsainy
ireny ratra noenti-maty
izay mila tsy tanty
tsy ho zakanao izao
fahakambotiany izao

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA(Mahavonjy Aimé)
30-08-2018
--------
Rohy:
970 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147