You are here: home > Vetso

IMPIRY NISY TOLONA - raims randriamalala (mahavonjy aimé)

IMPIRY NISY TOLONA?


impiry nitamberina izay ny tolom-piavotana
izay efa dify, nilaozan'ny omaly?
dia impiry notsarovana ny tolom-panafahana
izay noetin'ny taona nivalona any ho any?

dia hisy firy indray no hilaza ho bekotromaroholatra?
ka hotoloram-boninahitra ho tsangam-bato-pirenena.
moa mba nisy nahatsiaro ve ny sangan'asana mpanoratra
izay tsangam-bato fehizoro ho an'ity firenena?

ary moa mba nisy nahatsiaro ireny olo-manga,
sy ny maheri-fo kanto, efa lasana any ho any?
tsarovy fa ny eto n'inona n'inona hitranga
dia ny tolona an-tsoratra no fanavotana ny tany!

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahbavonjy Aimé)
TARA-BOLANA RANDRIA
25/03/2018

Hametraka hevitra

Midira aloha